Azonao atao ny manatona sy mifandray mivantana aty amin'ny Labootikantily.
Adiresy
Antananarivo, Madagascar
Lundi-dimanche
08:00 - 18:00
Ombalahy Mitraka
CEO
Itarafan'ny olona antsika skoto ny fanehoana ivelany ary manasongadina ny hakanto sy ny hanitry ny skotisma. Mahasarika sy mahaliana ny mahita skoto jejo sy mirehareha amin'ny fanamiana sy ireo kojakoja miaraka aminy. Natao indrindra hanatsarana sy hanamorana ny fahatomombanana sy ny maha ara-dalana ny Fanehoana iombonana ity tsena ity. Noezahana ho hita ato avokoa ny zavatra rehetra mety ilaintsika ary natao ezaka ny hampirary ny sarany. Samia ary jejo avokoa eh
Eny... Azo antoka fa vokatra voakaly sy ara-dalàna no jifainao ary manaja ny fanehoana ofisialin'ny fikambanana. Vokatra asan-tanan'ny skoto rahalahantsika sy nafarana manokana avy any ivelany. Misy tamberim-bidy atolotsika ho fanorenana ny fikambanana sy ny rafitra samihafa isaky ny manjifa ianao. Fanamby iombonana vaovao apetrantsika ho fanaikana sy tosika ho amin'ny fampiroboroboana ny fikambanana ny fametrahana an'izao tsena moderna mampias any teknolojia avo lenta izao. Mendrika an'izany ny skotisma.. mendrika antsika ny fahatsarana.
" Manamora sy manatsara ny fanehoana ny labootikantily"
Azonao atao ny manatona sy mifandray mivantana aty amin'ny Labootikantily.
Lundi-dimanche
08:00 - 18:00